Miverena amin’ Andriamanitra ry Israely mpiodina
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Martsa 2020
MIVERENA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO
JEREMIA 3.11-17
11 Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika. 12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay. 13 Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah. 14 Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo; 15 Dia homeko mpitondra* araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra** anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.[Heb. mpiandry ondry][**Heb. hiandry] 16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony. 17 Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.Miverena amin’ Andriamanitra ry Israely mpiodina
Andriamanitra fitiavana tokoa ny Tompo. Na dia niodina taminy aza ny Zanak’ Israely dia antsoiny indray hiverina Aminy . Ireto no antony hiverenana amin’Andriamanitra .
1-Hamindra fo amin’izay miverina Aminy ny Tompo
Raha ny marina , noho ny fiodinan’ny Zanak’ Israely dia tokony ho tezitra aminy ny Tompo. Tsy izany anefa no hita eto fa vonona hamindra fo amin’izay niodina ka maneho fahavononana hiverina ny Tompo. Dieny mbola misy fotoana dia andeha hararaotina ny fotoana hahafahana manatona ny Tompo. Andeha hararaotina tsara ny fotoana hamindran’ny Tompo fo amintsika ka mbola handraisany antsika indray. Ity fiverenana ity koa anefa dia voamariky ny faneken’ny mpiodina ny helony araka ny and 13. Araka izany , tsy ho afa-miverina amin’ny Tompo izay tsy miaiky ny fahotany , ka tsy miala amin’izany . Fepetra tsy azo ialana amin’ny fiverenana marina amin’ny Tompo ny fanekena ny fahadisoana sy ny fiezahana hiala amin’izany fahadisoana izany .
2-Hanome mpitarika ho amin’ny fahendrena ny Tompo
Niodina ny Zanak’Israely satria ratsy mpitarika izy. Rehefa miverina amin’ny Tompo ny vahoakany eto dia hanome mpitarika azy ny Tompo mba tsy hiodina intsony Aminy izy ireo . Efa nomen’ny Tompo an’i Jesoa hitarika antsika isika . Jesoa mantsy no manana ny fahendren’ Andriamanitra araka ny fampianaran’i Paoly (1 Kor 1.24) . Hanam-pahendrena toa Azy izay manaiky hotarihany ka tsy hiala amin’ny Tompo intsony . Rehefa ao amin’i Jesoa ny olona iray dia ho tafatoetra tsara ao amin’ny Tompo. Jesoa no miantoka antsika tsy hiala amin’Andriamanitra sy hitoetra tsara ao.
Fanontaniana:
Nahoana no antsoina hiverina amin’ny Tompo ny mino?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM