Mivelona amin’ny Fahasoavan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Novambra 2024
Lioka 3.10-14
Lioka 3.10-14
10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay? 11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. 12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? 13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.1- Ny Kristiana rehetra na kely na lehibe, na lahy na vavy
Dia tokony tsy ho tia tena fa hahay hizara amin’ny namana (and 10). Fa ny tena fahamarinana tsy azontsika foanana dia izao : tsy maintsy mizara amin’ny namana isika raha sendra tsy manana izy.Izay fatrany dia apetraka amin’ny fahendrentsika fa izay aloha ny marina dia anjarantsika ny mieritreritra na hanaraka na tsia.
2- Ny mpiasa rehetra na mpiasa birao na ny toy izany
Dia tokony tsy hampandoa vola na zavatra izay tsy nasaina nampandoavina (and12). Sarotra izany anefa satria kely tsy ampy ho an’ny filåna ny karama. Na hanao an’izany aza anie isika dia mbola sahirana foana e! tsy ampy foana io fa aleo mivelona amin’ny fahasoavana fa io no mahasambatra. Andramo anie dia ataovy amin’ny finoana e !
3- Ny mpitandro ny filaminana
Dia tsy tokony haka an-keriny na mamoritra olona, tsy manendrikendrika ary tokony hianiana amin’ny karama ihany koa (and 14). Sarotra ihany koa izany fa fahamarinana tsy azontsika lavina. Mila mianatra mivelona amin’ny fahasoavana ihany Azo andramana amin’ny finoana koa izany fa tena mahasambatra tokoa.
Ny zava-takian irco fahamarinana tsy azontsika lavina ireo dia ny fiononana sy ny faharetana. Mila mianatra ny lesona eo amin’ny fiainana hoe: « mivelona amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika » Matio 6.33 «Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny Jahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany»
Fanontaniana
Mora aminao ve ny manaraka izany teny izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe