Mivavaha ho an’ny mpiara-manompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Aogositra 2021
KOLOSIANA 2.1-5
KOLOSIANA 2.1-5
1 [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo, 2 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy, 3 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. 4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina. 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.Mivavaha ho an’ny mpiara-manompo
1-Mba hiorina tsara izy ireo
Niantefa tamin’ireo mpino tao Kolosia ny hafatr’i Paoly teto . Hafatra izay manambara ny tena fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’Andriamanitra dia Kristy (and2) . Jesoa no irafetan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra . Izy no loharanom-pifaliana maharitra ary fototry ny fampiraisana sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpino . Tena zava-dehibe amin’i Paoly ny vavaka ho an’ny hafa saingy arahiny asa amin’ny alalan’ny toromarika sy fampianarana . Fampiorenam-pinoana izany .Tsarovy fa manana adidy hahatsiaro manokana hivavaka , hamapahery ary hanolokolo ny finoan’ny hafa isika .
2-Mba tsy handairan’ny fampianaran-diso
« Ary izany no lazaiko , fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina » (and4). Rehefa notoriana ny Filazantsara dia maro ireo nanolo-tena . Teo anatrehan’izany dia misy ny nilaza fa tsy maintsy mandalo famorana aloha ireo .Tao koa ireo fepetra hafa momba ny sakafo azo hohanina . Mazava ny fanitsiana nentin’i Paoly hoe : « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana , na ny fisotro na ny voaloham-bolana na ny sabata . Aloky ny zavatra ho avy ireny , fa ny tenany dia an’i Kristy(and16) . Ho anao koa , aza manaiky handairan’ireo mpanjono am-bovo ianao , fa miorena tsara , aza miova . Ampy antsika i Jesoa Kristy Tompo . Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.
Fanontaniana :
Manana fotoana manokana hitondrana am-bavaka ny hafa ve ianao ? Manomeza ohatra .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM