Mitsangana ny hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Aogositra 2018
Mitsangana ny hanohitra ny herisetra
Salamo 18.1-6
1 [Fitantaran'i Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. 2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. 3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko. 4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. 5 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola] 6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.Mitsangana ny hanohitra ny herisetra
Salamo 18.1-6
Midera an’ Andriamanitra Mpamonjy
1-Tiavo amin’ny fonao rehetra Andriamanitra
Manambara ny fitiavany feno an’ Andriamanitra i Davida Mpanjaka . Jehovah no heriny ka nahatonga azy handresy ny fanenjehana sy ny herisetra nataon’i Saoly azy (2 Sam 22.1-51). Ny fandresena ny fahavalo sy ny mpankahala dia ny fiderana an’ Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra Azy. Tsy ny otri-po na ny valifaty na ny herisetra no handresena ny fahavalo fa ny fitiavana .
2-Matokia an’ Andriamanitra
Tanisain’i Davida eto ny finoany an’ Andriamanitra izy sady mpiaro azy amin’ny mpankahala sy ny fahavalony no fiadiana mampandresy azy . Manambara izany fa tsy i Davida no miady amin’ny fahavalony fa ny Tompo. Finoana lehibe izany. Amin’ny herisetra rehetra mihatra amintsika dia matokia ny Mpamonjy , ary aza miankina amin’ny herintsika . Matokia Azy amin’ny fonao rehetra dia handresy hatrany .
3-Miantsoa an’ Andriamanitra
Andriamanitra velona ny Tompontsika . Miantsoa Azy na ho fiderana na ho fitarainana (and3-6). Mihaino ny vavaka araka ny sitrapony Izy ka manilika ny fahavalo sy mametraka harato tsy hidinantsika mpino amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita (and 5). Akaiky antsika Izy ary manara-maso ny fiainan’ny mpanompony izay efa nofidiny. Mihaino sy mijery any an-danitra Izy. Ny lanitra no tempoly ambaran’ny mpanao Salamo eto . Mifandraisa tsy tapaka amin’ny Tompo amin’ny fivavahana sy ny fisaorana (1 Tes 5.17) .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM