Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Matio 5, 38‑42
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Matio 5, 38‑42
Ny valifaty kristiana
Hita ao amin’ny Soratra Masina. indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ny fanomezana alalana hanao valifaty. I Jesoa kosa dia manolotra lalàna vaovao mendrika ny hoharahintsika amin’ny fanaovana izany.
1 – Ny fandeferana (and 39‑41)
Isan’ny lalàna natao hisorohana ny herisetra teo amin’ny Zanak’Isiraely ny valifaty ka nahatonga ny fitenenana hoe : “maso solon’ny maso, nify solon’ny nify” (Eks. 21). Tsy nahafoana ny herisetra anefa izany. Fampianarana ambony kokoa no atolotry ny Tompo antsika mpanara-dia Azy. Tsy ho foana ny herisetra raha toa ka valiana ratsy hatrany ny ratsy. Noho izany dia valiana soa avo roa heny ny ratsy natao tamin’ny tena mba handresena ny herisetra. Izany no atao hoe fandeferana.
2 – Ny fanehoam-pitiavana (and 42)
Didy efa fantatry ny jiosy ny fahalalahan-tànana (Deo. 15, 7‑11). Ampiarahan’ny Tompo eto ny fandeferana sy ny fahalalahan-tànana ho fanehoam-pitiavana sady ho fisorohana ny herisetra. Mpanolotra sy mpanome isika ary tsy hanavahana izany na ho an’ny olon-dozabe (manery), na ho an’ny olona mahantra (mangataka), na ho an’ireo izay afaka hamerina (misambotra). Ahazoana misoroka sy manohitra tsara ny herisetra ny fanehoam-pitiavana toy izany, indrindra raha atao amin’ny fahavalo.
Fanontaniana :
Inona no mety ho sakana tsy ahafahanao mampihatra ny valifaty kristiana voalaza eto ?