Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Jaona 8, 1-11
1 [fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva]Mitsangana hanohitra ny herisetra
Jaona 8, 1-11
Misoroka ny herisetra ny Tompo
Ataon’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna fitaovana ity vehivavy azo olan-tànana nijangajanga ity mba hamandrihana an’i Jesoa. Herisetra no nokotrehin’izy ireo kanefa dia voasorok’i Jesoa izany tamin’ny alalan’ny :
1 – Fampandinihan-tena ny rehetra (and 6‑10)
Fanehoan-kevitra no nandrasan’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna tamin’i Jesoa. Tian’izy ireo ankinina amin’i Jesoa samy irery ny andraikitra rehetra mba hahazoana manameloka ny Tompo ho mpandika ny l.alàn’i Mosesy. Naverin’i Jesoa tany amin’izy ireo anefa ny raharaha ka anjaran’izy ireo ny manapa-kevitra rehefa avy mandinika ny tenany ny tsirairay. Vokany, tsy misy afa-mitora-bato ity vehivavy ity, satria efa samy nanota avokoa. Mandiniha tena mialoha ny hitsarana na hitoraham-bato ny hafa.
2- Famelana heloka (and 11)
I Jesoa irery no afaka nanameloka sy nitora-bato ity vehivavy ity. Izy irery no tsy nanota ary izany rahateo no maha-Andriamanitra Azy. Na izany aza dia nisafidy ny famelan-keloka i Jesoa na dia voalaza aza fa tratra olan-tànana nijangajanga ity vehivavy ity. Narahina fampahafantarana izay tokony hataony izany famelan-keloka izany. Misy fotoana izay iheverantsika fa zontsika ny manameloka ny hafa saingy taomin’ny Tompo isika hifidy ny famelan-keloka ho fisorohana ny herisetra.
Fanontaniana :
Inona no vokatry ny tsy fahaizana mamela heloka ?