Mitsangana hanohitra ny herisetra

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Mpanjaka 21, 7‑19
1 [Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Mpanjaka 21, 7‑19

Atsaharo ny herisetra !

Anarana fotsiny ny naha-mpanjaka an’i Ahaba fa i Jezebela vadiny no tena nitondra. Herisetra tsy roa aman-tany no vitan’ity vehivavy mpanompo sampy vadin’ny mpanjaka ity.

1- Mpamono olona (and. 7‑16)

Fitsiriritana ny tanin’olona no nahatonga sain-dratsy tao amin’i Jezebela hanao herisetra amin’i Nabota. Niantomboka tamin’ny fisandohana andraikitra ny herisetra nataony eto. Nitohy tamin’ny fiampangana olo-marina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy izany. Niafara tamin’ny fandatsahana ain’olo-marina izany fanaovana herisetra izany. Famonoana olona ny fanaovana herisetra.Koa matahora an’Andriamanitra ianareo mpanao herisetra. Tsy ho afa-bela eo anatrehan’Andriamanitra ireo.

2- Hamaly ny natao ny Tompo (and. 17‑19)

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana an’i Nabota noho ny herisetra nokotrehin’i Jezebela. Tsy vita mora anefa izany fa Andriamanitra mihitsy no namaly ny mpanao herisetra. Izay fomba namonoana an’i Nabota ihany no nahafaty an’i Ahaba vadiny. Tsy anjarantsika ny mamaly herisetra ny herisetra araka ny fampianaran’i Jesoa. Anjaran’ny Tompo izany izay Mpitsara marina sy mpamaly ny olona araka ny asany avy (Apo. 13, 9‑10).

Fanontaniana :

Eo amin’ny fanambadiana, inona no lesona azo tsoahina eto ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM