Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Lioka 22,47 - 53
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy. 48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona? 49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay? 50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana. 51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy. 52 Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? 53 Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.Lioka 22, 47-53
Ireo herisetra mpahazo ny mino
Ity perikopa ity dia maneho amintsika ireo karazana herisetra nihatra tamin’i Jesoa. Maro amin’ny mpino ankehitriny no iharan’izany herisetra izany dia :
1-Ny fihatsarambelatsihy (and. 47-48)
Ny fihatsarana ivelan’ny tsihy dia fisehoana ho tsara raha amin’ny endrika ivelany kanefa ratsy ny ao anaty. Niseho ho tia an’i Jesoa tamin’ny endrika ivelany i Jodasy kanefa ny mifanohitra amin’izay no tao am-pony. Endrika ivelany fanehoam-pitiavana ny oroka saingy famadihana no tao ambadik’izany ho an’i Jodasy. Ialao ny fihatsarambelatsihy fa herisetra miafina endrika izany ary mety hamono ny hafa mihitsy.
2-Nv herisetra ara-batana (and. 49-50)
Nampiasa fitaovam-piadiana avy hatrany ny mpianatra teo anatrehan’ny fisamborana natao an-keriny an’i Jesoa. Nosakanan’i Jesoa avy hatrany izany fihetsika izany na dia nanana endrika fiarovana sy fanehoam-pitavana Azy avy amin’ny mpianatra aza. Tsy ankasitrahan’ny Tompo velively ny fampiasan-kery sy ny fanaovana herisetra avy amin’ny mpanara-dia Azy na inona na inona antony mety hanosika hanao izany. Izay amintinan’ny Tompo azy dia mazava: na olon-tokana(and 51), na andian’olona (and 52) no hanao herisetra dia ny herin’ny maizina hatrany no manosika hanao izany (and. 53).
Fanontaniana :
Inona no tokony hatao mba tsy ho lasa fiasan’ïlay ratsy hanao herisetra isika?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM