Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Jakoba 4.1-10
1 [Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? 2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na: mialona] 3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. 5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika** dia iriny amin'ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana] 6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34]. 7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Jakoba 4.1-10

1-Mivavaha araka ny sitrapon’ Andriamanitra 

Misy  herisetra  asehon’i Jakoba eto : ny  ady an-trano eo amin’ny samy mpino(and 2). »ny fandrafiana an’ Andriamanitra « dia ny  fijangajangana na fanompoan-tsampy sy fisakaizana amin’izao tontolo izao (and4). Tsy hahita ny fahasoavana mirotsaka aminy izay mangataka ny handiso fangataka no ilazana azy (Jak 4.3). Mivavaha  araka ny sitrapon’ny Tompo dia ho hitantsika ny fahasoavany.

2-Manetre tena eo anatrehan’ Andriamanitra

Ampianarin’i Jesoa Kristy ny fanetrentena isika kristiana . Nidina tety an-tany i Jesoa Kristy hamonjy ny  mpanota . Koa manatona Azy, dia hanatona anareo Izy (and7) . Miteraka etika na fitondrantena masina sy marina ny fonenan’ny Tompo ao anatintsika  sy ny fanatonana an’ Andriamanitra . Aoka ny olona rehetra izay manonona ny Anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy  » (2 Tim 2.19). Vokany , miala amin’ny fahotana ka manadio tànana, manadio fo, mahatsiaro ory sy mitomany noho ny fahotana vita(and8-9). Izany  no atao hoe: fihavaozam-panahy, izay  mitondra ho amin’ny fivavahana marina.

3-Ny fankatoavana an’ Andriamanitra 

Ambara fa toherina ny  devoly mpiampanga , mpanaratsy, mpamily làlana…Rehefa manaiky  an’ Andriamanitra  sy ny Teniny ny  mpino  dia resy  ny fikorontanam-piangonana sy ny fahotam-piangonana, ny haratsiana ary ny filàna rehetra miady ao anatin’ny  kristiana tsirairay (and1).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM