Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Estera 7.1-7
1 [Ny nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. 3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako; 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory? 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana. 7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.

Mitsangana hanohitra ny  herisetra 

Estera 7.1-7

Mangataka famonjena ho an’ny  fireneny i Estera

1-Mangataka fahavelomana i Estera

Omen’i Ahasoerosy mpanjaka  fahefana hangataka izay  irin’ny  fony  aminy i Estera vadiny . Ananan’i Estera ny voninahitra , ny harena , ary izao na dia ny atsasaky  ny  fanjakana aza dia homen’ny mpanjaka « (and2). Tery am-po i Estera  ho an’ny Jiosy sy ny tanindrazany , ka ny fahavelomany  miaraka amin’ny fireneny no nangatahany . Ny anton’ny fanandratana an’i Estera  ho vadin’ny mpanjaka dia ho famonjen’ny Tompo  ny Jiosy . Tsy  velona ho an’ny tenany ny  mpanompon’ Andriamanitra fa iray aina amin’ny fiangonana sy ny fireneny (Rom 14.7) . Famantarana ny fahaveloman’ny  fiangonana ny firaisany  aina amin’izay ory sy  mijaly ianjadian’ny herisetra sy ny tsy rariny .

2-Manafoana ny fandringanana ny fitiava-tanindrazana 

Mamantatra  ny loharanon’ny  fandringanana ny mpanompon’ Andriamanitra . I Hamana no efa  nikatsaka  ny hampahory  amin’ny onitra  sy ny fandringanana ny Jiosy (and4). Voataiza amin’ny finoana  sy  ny fitiava-tanindrazana   i Estera , araka ny nataon’ny ray aman-dreny nanabe azy, dia i Mordekay (jereo Est 2.7: 2.20; 4.13) . Voataiza ho  amin’ny fikatsahana   ny  tombotsoan’ny fireneny izy . Nofoanan’i Ahasoerosy mpanjaka  ny fikasan-dratsin’i Hamana . Novelomina ny Jiosy  fa Hamana « ratsy fanahy…rafilahy sy fahavalo kosa novonoina » (and6). Mpamonjy ny Tompo , ka mampijoro ny  mino ho vavolombelony hiaro ny mijaly. Tahotra ho an’ny ratsy fanahy mpivarotra sy mpandringana ny vahoakan’ Andriamanitra ny  fijoroan’ny  Mpanompony amin’ny  fitiavana ny  fiangonana sy ny fireneny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM