Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Lioka 23.13-25
13 Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka, 14 dia hoy izy taminy: Entinareo at? amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy. 15 Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; 16 koa hofaizako Izy, dia halefako. 17 * [Ampio hoe: 17 Fa tsy maintsy mandefa ny anankiray ho an'ny olona izy amin'ny andro firavoravoana] 18 Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay! 19 Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona. 20 Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy. 21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. 23 Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona. 24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny. 25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Lioka 23.13-25
Ny fampahoriana an’i Jesoa Kristy
1-Ny fitsarana tsy marina
Manao fitsarana tsy marina sy manampatra ny fahefana ny mpitondra fanjakana sy ny mpanapaka na i Heroda sy ny miaramilany na i Pilato governora . Ity farany dia mahalala ny marina fa tsy manapa-kevitra araka ny fahamarinana. Mijaly mandrakariva ny marina rehefa tsy marina ny mpanapaka. Manaiky ny fitsarana Azy i Jesoa , na dia tsy nanota sy nandika lalàna aza, mba ho famonjena ny olombelona mpanota .
2-Ny famaizana an’i
Jesoa
Tsy hitan’i Pilato governora , mpanapaka ny faritr’i Jodia , izay heloka tokony hahafaty an’i Jesoa . Nikasa handefa an’i Jesoa i Pilato, satria tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy « (and15). Famaizana olona tsy meloka no nokasain’i Pilato hatao tamin’i Jesoa izay » tian’i Pilato halefa« (and 20). Rehefa tsy mijoro amin’ny fahamarinana sy araka ny lalàna ny mpanapaka dia voaheloka an-terisetra ny marina .
3-Ny fangatahana hamonoana an’i Jesoa Kristy
Zava-doza no vokatry ny feon’olona. Nangatahany hovonoina i Jesoa Kristy. Nisafidy jiolahy mpamono olona izy ireo (and21).Rehefa tsy mino an’i Jesoa Kristy ny olona dia manjary mpanao herisetra sy mpamono olona . Mpanatanteraka ny famonoana an’i Jesoa Kristy avokoa ny rafi-pitondrana rehetra teo amin’ny Jiosy : ny fitsarana Synedriona sy ny governora Romana . Mbola maro ireo manakalo an’i Jesoa Kristy amin’ny fahefana sy ny vola ankehitriny .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM