Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
1 Samoela 22.11-23
11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra. 12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko. 13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao? 14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao? 15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be. 16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra. 17 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb. mpihazakazaka] 18 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy. 19 Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy. 20 Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida. 21 Ary Abiatara nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah. 22 Ary hoy Davida tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny tarana-drainao. 23 Tomoera et? amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.Mitsangana hanohitra ny herisetra
1 Samoela 22.11-23
Iharan’ny herisetra ny Mpisorona
1-Mijoro amin’ny fahamarinana ny marina
Ahimeleka mpisorona nenjehina noho ny nanomezany an’i Davida mofo sy sabatra ary nanontany an’ Andriamanitra ho azy (and13). Fanompoan’ny mpisorona ny manambara ny marina amin’ny mpanjaka sy ny vahoaka. Niharan’ny herisetra nataon’i Saoly i Ahimeleka. Nampangain’i Saoly ho manomana fanoherana ny mpanjaka izy (and13). Manambara ny marina ny mpisorona : i Davida dia mahatoky , mpanolotsaina sady vinanton’ny mpanjaka rahateo , hoy izy (and14). Rehefa mitoky mafy amin’ny fahefany sy ny heriny ny mpanjaka dia manao herisetra amin’ny marina sy ny irak’ Andriamanitra. Nandà ny famonoana ireo mpisorona ny mpanompon’ny mpanjaka noho ny fahamarinana (and17).
2-Mihatra amana aina ny fiainana ny fahamarinana
Notanterahan’ny mpanjaka ny famonoana ny mpisorona dimy amby valopolo , izay niakanjo ny akanjo fisoronana na Efoda fotsy (and18). Ny tanànan’ny mpisorona mihitsy no naringany hatramin’ny zaza amam-behivavy. Mpanao herisetra mandrakariva ny Edomita avy amin’ny taranak’i Esao. Mitondra fahoriana ny marina noho ny tsy fankatoavan’ny manam-pahefana ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy manaiky ny fanatrehan’ny Tompo ny fiangonana sy ny fireneny ny mpanjaka tia tena sy miaro ny fahefany . Miombom-pahoriana amin’ny mijaly i Davida mpanompon’ Andriamanitra . Noraisiny i Abiatara, anankiray amin’ny mpisoron’i Jehovah, izay afaka nandositra (and20) . Ho antsika kristiana , raiso an-tànana izay enjehina noho ny fahamarinana (jereo Heb 13.2).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM