Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Ohabolana 3:27-35
27 [Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany; 28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. 29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy. 30 Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. 31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory, 32 Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. 33 Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa. 34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. 35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Ohabolana 3:27-35

Ny olon-kendry manohitra ny herisetra

Asehon’ity perikopa ity fa manana anjara biriky amin’ny fanoherana ny herisetra ny olon-kendry ka :

1 – Tsy mangataka andro amin’ny fanaovan-tsoa (and 27-28)

Ny hoe “amin’izay tokony azo omena azy” dia azo adika hoe “amin’izay tompony’’. Zon’ny mahanlra ny mandray fanampiana avy amintsika raha afaka manao izany isika. Tsy tokony hangataka andro sady tsy tokony hampifilafila amin’ny fanaovana izany isika. Aza andrasana rahampitso noho izany izay tokony hatao anio.

2 – Mitandro ny filaminana (and 29-32)

Amporisihana ny olon-kendry mba hitandro hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy vahaolana ny sain-dratsy, ny famelezana. ny ady, ny fanaovana ratsy amin’ny hafa, ny fialonana na dia heverina ho lozabe aza ny sasany amin’ny mpiara-belona amintsika. Mampirongatra ny herisetra izany.

3 – Mahay misafidy (and 33-35)

Fifanoherana sy fifanipahana no hita eto : ozona sy fitahiana , ny ratsy fanahy sy ny marina , ny faniratsirana sy ny fahasoavana , ny mpaniratsira sy ny mpandefitra , ny adala sy ny hendry ,ny henatra sy ny voninahitra. Ny olona misafidy ny ho hendry no afaka manohitra ny herisetra.

Fanontaniana :

Araka ny hevitrao, inona no mampirongatra ny herisetra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM