Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mpitsara  19.22-30
22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy. 23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianareo.[Heb. fahadalana] 24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany. 25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. 26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro. 27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana. 28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany. 29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra. 30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Mpitsara  19.22-30

Tandremo  ! Atsaharo  ny  herisetra  ara-nofo 

Karazana herisetra maromaro  no hita  eto amin’ny Soratra masina ity  saingy  siganina manokana ireto noho izy ireo miha-mahazo vahana eto  amin’ny firenentsika :fampirafesana ,firaisana ara-nofo  amin’ny  mitovy fananahana ary  fanolanana.

Ezahina mafy ankehitriny ny  mandresy lahatra fa fanohintohinana  ny  zo  maha-olombelona ny fanoherana  ny  fampirafesana sy ny  firaisana  ara-nofo  amin’izay  mitovy fananahana .Ezahina mihitsy  ny  mtaiza ny  fiaraha-monina hanaiky ireny .Manginy  fotsiny  ny firongatry  ny  fanolanana ,indrindra amin’ireo  zaza tsy  ampy  taona   sy  ireo vehivavy  iharan’ny fanafihan-dahalo .

Ahariharin’ny Soratra masina amintsika anefa ankehitriny fa sady  fandikana ny Tenin’ Andriamanitra ireny no herisetra  ara-nofo ka tsy  maintsy toherin’ny fiangonana  amin’ny  heriny  rehetra , indrindra raha olon’ny fiangonana no tafalatsaka ao anatin’ny  karazana herisetra ara-nofo ireny .

Hoy ny famaranana izao  toko  faha 19 izao : « Hevero  izany , samia maka saina,ka ambarao ».Mila mijoro isika fiangonana hanohitra ny  fampirafesana , ny  fanaovana firaisana amin’izay  mitovy fananahana , ary  ny fanolanana .Ny  fandikana ny didin’ Andriamanitra  no anisan’ny  niteraka  ny  herisetra  rehetra  hita eto .

Fanontaniana :

Aiza  ny  toko  sy andinin-tsoratra masina mandrara ny fanaovana ireo  tranga ireo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM