Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Asan’ny Apostoly 16:16‑34
16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.Mitsangana hanohitra ny herisetra
Asan’ny Apostoly 16:16‑34
Manohitra ny herisetra ny mino.
Niharan’ny herisetra maro i Paoly Apostoly tamin’ny asa fitoriana nataony (and. 19‑24). Tsy mba nampiasa herim-batana na fitaovam-piadiana kosa anefa izy ho fanoherana ireny herisetra ireny fa nampiseho ny naha-mpanompon’i Kristy azy ka nanohitra ny herisetra :
1 – Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fïderana (and. 25‑27)
Vavaka sy hira fiderana an’Andriamanitra no nentin’i Paoly sy i Silasy nanohitra ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina nihatra tamin’izy ireo. Mahagaga ny herin’izany fa niteraka horohoro teo amin’ny mpanao herisetra sy nahavaha ny fatorana rehetra. Ny herisetra rehetra dia avy amin’ilay ratsy. Efa nomen’ny Tompo antsika ny fitaovam-piadiana ho enti-manohitra izany ka anisan’izany ny fivavahana (Efe 6:18). Manana endrika vavaka misy tonony sy feony ihany koa ny hira fïderana.
2 – Amin’ny alalan’ny fitoriana (and. 28‑33)
Tsy nitsahatra ny fitoriana nataon’i Paoly sy i Silasy na dia niharan’ny herisetra aza izy ireo. Ny fitoriana nataony no nampiova fo ny mpanao herisetra ka nandraisan’izy ireo ny famonjena. Mila mitozo hatrany amin’ny fitoriana ny filazantsara isika ho fanoherana ny herisetra amin’ny lafiny ny rehetra. Ny fandraisana an’i Jesoa sy ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena amin’ny anarany mantsy no mitondra fiadanana izay mifanohitra amin’ny fanaovana herisetra.
Fanontaniana :
Efa nampiasa ireo ve ianao ho fanoherana ny herisetra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM