Mitondra fahazavan-tsaina ny famaizana.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Aprily 2024

Hebreo 12, 7-11

Hebreo 12, 7-11
7 Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy? 8 Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka. 9 Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika? 10 Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany. 11 Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.

Mitondra fahazavan-tsaina ny famaizana.

1- Amin’ny maha zanaka:

« Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, ja tsy zanaka » (and 8). Ao ambadiky ny famaizana dia misy fitiavana. Ny fanekena izay rehetra sitrapon’ny ankizy sy tanora día tsy mitondra soa ho azy.

2- Hanekentsika ny Rain’ny fanahy

« Tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy, ka ho velona isika » (and.9): Rehefa nahazo famaizana avy amin’ny rain’ny nofontsika isika dia fanajana azy no asehontsika avy co. Toy izany koa, vao mainka mitohy ny fanekentsika ny Ray any ambony aorian’ireo toe-javatra samihafa hiaretantsika. Izy Ilay Tsitoha. mahefa ny zavatra rehetra.

3- Mahasoa

« Fa ireny dia nanao izay nahafay antsika…fa Izy kosa dia ny hahasoa » (and.10): Ny fikatsahana izay mahasoa ny mpanompony no fikasan’ny Tompo rehefa mampandalo antsika ireo fiafiana, fiaretana, fananarana Izy. Miara-miasa hahasoa ireny, ho an izay tia an’Andriamanitra.

4- Handraisantsika ny fahamasinana

Mitombo amin’ny fahamatorana ny zanaka izay mandray am- pitiavana ny fananarana avy amin’ny Ray. fankatoavana am- panajana sy amin’ny finoana. Manoka-tena hankato ny sitrapon’ny Tompo ny mino.

5-Hiadanana ho an’izay nanaovana azy

« …mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana hoan izay nanaovana azy izy » (and.11): Izay tena nandray am-pitiavana ny famaizana sy fananarana dia tsara fiafarana. Mandroso sady manana ho avy mamirapiratra.

Fanontaniana

Inona no zava-kendren’ny Tompo amin’ny famaizana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe