Mitodika ho amin’Andriamanitra izao rehetra izao

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Janoary 2023

SALAMO 89 . 5-18

Salamo 89,5 - 18
5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. 6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, 7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy? 8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. 9 Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. 10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. 11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. 12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona. 13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. 14 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao. 15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. 16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany. 17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay. 18 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay*.

Mitodika ho amin’Andriamanitra izao rehetra izao

1-Ny lanitra midera Azy

Milaza ny fahamboniana faratampony , manondro ny fonenan’Andriamanitra amin’ny ankapobeny ny teny hoe: « lanitra « ,satria zava-mahagaga ho an’ny ambanilanitra rehetra satria tperana midadasika tokoan nefa voahazona tsy hilatsaka .Araka izany , izay fiderana ambony sy lehibe indrindra no mendrika ho an’Andriamanitra . Ampahatsiahivin’ny mpanao salamo eto hatrany koa fa tokana tsy manan-tsahala Andriamanitra ka mendrika fiderana tsara tsy misy toy izany .

2-Ny tany manaja Azy

Rehefa very tsy mahita làlana ny olona dia fihetsika voalohany atao ny mitady ny avaratra sy ny atsimo .Ambaran’ny mpanao salamo mazava tsara eto fa Andriamanitra no nahary izany . « Ny avaratra sy ny atsimo , ianao no nahary azy ». Hajain’izao tontolo izao mandraka ity ny androany , ary tsy azony ihoarana na iadian-kevitra izany asa faharian’ny Tsitoha izany. Eny ,fa na ny olona tsy mino Azy aza dia tsy maintsy manaja izany.« Amin’ny fahazavan’ny tavanaono handehanany »

3-Ny olony matoky Azy

Izay matoky an’i Jehovah dia tsy misandratra ho azy fotsiny noho ny herin’ny tenany ,ary tsy miezaka mitady izay ho fisandratany akory aza ,fa Andriamanitra mihitsy no manandratra azy. Ka dia mialoka tanteraka eo ambany fiahian’Andriamanitra ny olona rehetra matoky Azy ,eny fa na dia ny mpanjaka aza.

Fanontaniana :

Inona no antoka ho an’izay matoky an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM