Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Mey 2025
(Sal 66.8-12 / Hira 241 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 638)
Lioka 4.1-13
1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy 2 ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. 3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. 4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. 8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; 10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; 11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). 12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). 13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Izany no lohahevitra iainantsika mandritra ity volana ity. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina an’i Jesoa no ifampaherezantsika eto:
1- Nentin’ny Fanahy tany an-efitra i Jesoa (and.1,2)
Rehefa avy natao batisa i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an-efitra. Naharitra efapolo andro izany. Nandritra izany dia tsy nihinan-kanina Izy ka noana. Nataon’Andriamanitra taminy izany mba hanomanana Azy amin’ny fanompoana lehibe izay nanirahana Azy. Ny olona efa avy nisedra zava-tsarotra sy fitsapana mahamay no hanana fahamatorana ka antoka fa hahavita izay zavatra anirahana azy. Ny hahavitantsika araka ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana no antony iray lehibe ilåna ny fitokanam-bavaka arahana fifadian-kanina. Fa amin’ireny fotoana ireny no itomboan’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Amin’izany rehetra izany dia ilaina mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
2- Nandresy ny fakampanahy Izy (3-13)
Resin’i Jesoa avokoa ireo fakam-panahy nentin’i satana handavoana azy. Ny Soratra Masina no nentiny nanehoana ny maha Zanak Andriamanitra Azy. Manan-kambara amintsika amin’ny fotoana rehetra ny Soratra Masina, na amin’ny andro mahafaly, na amin’ny andro mahory, ary indrindra amin’ny andron’ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy. Koa raha te ho mpandresy toa an’ Jesoa isika dia hanao ho zava-dehibe ny fiainana araka izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Ilana ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahaizantsika mampiasa ny Soratra Masina araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona no fakam-panahy efa nolalovanao, ka nandresenao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe