Mitaona antsika ny mofonaina anio, mba ho tahaka ny Kristiana tao Roma isika
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Oktobra 2024
Romana 1. 8-12
Romana 1. 8-12
8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.1. Kristiana mahavelom-bolo (and 8)
« Voalohany, misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho noho ny aminareo rehetra, fa efa re eran’izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo ». Raha manoratra izao tataratasy izao i Paoly dia feno fifaliana ny fony ary velom-pisaorana an’Andriamanitra izy satria, tsy very maina ny filazantsara notoriana tamin’ireto Kristiana tao Roma ireto, fa tena voarain’izy ireo tokoa, ary tena namoa tany anatiny. Tonga reharehan’i Paoly, ary tsy i Paoly ihany aza, fa izao tontolo izao no manjary mahatsapa ny halehiben’ny finoan’ny Romana. Mampanontany tena antsika izany, mba Kristiana manao ahoana moa isika, mahavelom-bola sa mamono antoka?
2. Kristiana maha te hifandray (and 10)
« …Raha mivavaka aho dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’izao ho tonga aminareo… ». Hitantsika eto fa te hihaona amin’ireo Kristiana ireto mihitsy i Paoly, ary izany no angatahiny amin’Andriamanitra. Azo ambara izany, fa mahafinaritra sy mahaliana ny mitankosina amin’ny Romana, ka satry hifamangy ihany!
3. Kristiana mampandroso (and 12)
« Izany dia mba hiarahako hamporisihana aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy ». Mahaliana an’i Paoly tokoa ny mihaona amin’ireto Romana ireto, satria fihaonana mitera- boka-tsoa ho an’ny finoana izany, fa tsy sanatria, fihaonana mandany fotoana fotsiny. Fihaonana miteraka fifampaherezana sy fifampandrosoana. Tsara ihany ny mba handinihantsika tena hoe Kristiana irian’ny hafa hihaonana ve ianao, sa itsoahany fa manakivy sy manaketraka?
Fanontaniana:
Araka ny hevitrao, Kristiana manao ahoana ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe