Mitandrema ianareo @ mpaminany sandoka !

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Mey 2020

MIKA 3.5-8

MIKA 3.5-8
5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']

Mitandrema ianareo @ mpaminany sandoka !

1-Ny toetran’ny mpaminany sandoka sy ny fanaony :

Misandoka ho mpitondra ny hafatr’Andriamanitra izy , kanefa tsy mba avy amin’Andriamanitra akory izay lazainy .Tsy izay sitrapon’Andriamanitra madio no ambarany fa izay hahazoany tombotsoa ho an’ny tenany .Tsy mba mitory ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra izy , fa izay olona mahafoy fanomezana ho azy dia hanononany fiadanana , ary izay tsy manome kosa dia ankahalainy sy ataony ankilabao , na hananganany ady manokana (and 5) .Heveriny angamba fa azo hanaovana kolikoly ny fitahian’Andriamanitra . Ny mampalahelo dia betsaka ny olona no voafitany . Aoka ho malina ny fiangonana fa mbola misy mandraka ankehitriny ny mpitondra fivavahana no tia vola loatra , ka manao antsirambina ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra sy manararaotra ny fahatsorampon’ny olona .

2-Ny fanamelohana miandry azy

Tsy hitoetra ao aminy ny Fanahin’ Andriamanitra , satria mpamitaka izy .Esorin’ Andriamanitra aminy ny fahafahana maminany (and 6).Hilentika tsy hanazava azy intsony ny masoandro izany hoe : tsy hanana fahitana sy fanambarana marina intsony izy ireny , ka ho afa-baraka eo anatrehan’ny olona (and7a) . Aoka hatahotra an’Andriamanitra ireo mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana , ary izay rehetra nomen’ny Tompo fahefana . Alaviro ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana .Ialao ny fanararaotana sy fanambakana ny madinika .Tohero ny tsy rariny ka mibebaha, fa raha tsy mibebaka izy dia hiatrika fanamelohana sy fijaliana mandrakizay Fa iza manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina no ho afaka amin’izany .

Fanontaniana:

Inona no maha-samy hafa ny tena mpaminany sy ny mpaminany sandoka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM