Mitandrema fa misy ny mpaminany sandoka
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Mey 2023
1 Jaona 4,1 - 3
1 [Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. 2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; 3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.Mitandrema fa misy ny mpaminany sandoka
1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamantira;
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.
1Jaona 4,1-3
Mitaona ny Kristiana ny mpanoratra mba tsy hinohino foana fa ho malina mandrakariva, ka hahay manavaka ny tena mpaminany avy amin’Andriamanitra sy ny mpaminany sandoka.
1 Aza mino ny fanahy rehetra
Tsy fanahy iray ihany no miasa eto amin’izao tontolo izao, fa misy koa fanahy mamitaka. Efa nambaran’ny Apôstôly tamintsika rahateo ny fisian’ny fahavalon’ny Fiangonana, dia ny fanahy ratsy (Efe.6,12) na devoly izay miasa mafy amin’izao andro farany izao. Mety hitoetra ao anatin’ny olona io fanahy ratsy io. Ary izay olona itoerany, nefa milaza sy mihambo ho manana an’i Krsity no antsoina hoe mpaminany sandoka. Maka ny endrika sy ny fomban’ny mpaminan’Andriamanitra izy ireny ka mety ho voafitaka noho izany ny Kristiana raha tsy mitandrina
2 Mahaiza mamantatra ny Fanahin’Andriamanitra
«Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamantira». Jesoa Kristy dia ambaran’ny Filazantsara hoe «tonga nofo», izany hoe tonga olona, ka nonina teo amintsika olombelona. Raha hazavaina izany dia toy izao : tena nisy tokoa ilay Jiosy atao hoe : Jesoa, ary voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny toerana niainany sy ny fotoana niasany tety an-tany. Zava-dehibe amintsika Kristiana izany satria manambara fa niditra tokoa teo amin’ny tantaran’ny olombelona Andriamanitra. Marihina fa efa nisy, ary mbola misy fampianarana mifanohitra amin’izany saingy ny endrika isehoany no miovaova, arakaraka ny vanim-potoana. Tokony hitandrina ny Kristiana manoloana ireo mpampianatra izay milaza fa nandray hafatra mivantana avy amin’Andriamanitra, kanefa tsy azo hamarinina araka ny Soratra Masina
Fanontaniana
Arakany fahalalanao, inona no atao hoe «antikristy»?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM