Mitana ny Teniny Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Febroary 2024

Josoa 22. 1-5

Josoa 22. 1-5
1 [Ny nampodiana ny firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ] Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase, 2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo; 3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo. 4 Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana. 5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.

1. Mitana ny Teniny Andriamanitra (Jos 21.45)

« Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraks avokoa izany rehetra izany ». ity andininy ity no mialoha ny anjara mofonaina anio, ary manampy antsika hahatakatra ny tian’i Josoa ambara. Nomen’ Andriamanitra ny tany nampanantenainy, nomen’Andriamanitra fitsaharana teo amin’ny tany ny vahoakany ka tsy nisy nahajanona teo anoloany ny fahavalony. Tanteraka avokoa izay fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra. Traikefa mamy ny fiarahana amin’ Andriamanitra, fa tsy mba tahaka ny olombelona mora mivadibadika Izy, fa efainy hatrany izay ampanantenainy. Anankiray amin’izany ny famonjena, ka nanomezany ny zanany lahitokana ho famonjena izao tontolo izao.

2. Mitia an’Andriamanitra ny olona (and 5)

« Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalana nandidian’i Mosesy… hitiavanareo an’i Jehovah Andriamanitrareo ». Tsy amin’ny teny no asain’i Josoa hitiavan’ny olona an’Andriamanitra fa amin’ny « fo rehetra sy ny fanahy rehetra ». Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny maha izy antsika manontolo mihitsy no tokony enitna manompo an’Andriamanitra, ary tsy an-tery setra fa vokatry ny fo. Ny olona tsy mbola niara-dalana sy nahita ny fitiavan’Andriamanitra ary fikarakaran’ Andriamanitra azy no tsy mahay mitia Azy.

Fanontaniana:

Ahoana ny fahitanao ny traikefa niarahanao tamin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe