Misy ve ireo mihevitra fa tsy manampy ny olona akory Andriamanitra ?

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Septambra 2022
ISAIA 62.1-5
1 [Ny handrosoan'ny voninahitr'i Jerosalema] Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. 2 Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin*'ny vavan'i Jehovah; [Heb. hotendren'] 3 Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao. 4 Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina. 5 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao* anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao. [Heb. zanakao-lahy]

1-Handroso tokoa ny voninahitr’ i Jerosalema (and 1-3)

Voalaza eto hoe : « tsy hangina Aho akory fa hihetsika mba hanasoa an’i Ziona » ary ny hoe: « tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema dia izao tsy ho tafatoetra amin’izao fotsiny Aho , tsy ho tafandry mihitsy raha tsy tonga amin’izany mahatsara azy i Jerosalema . Araka izany , tena mihevitra izay hahasoa sy hampandroso ny olona Andriamanitra fa tsy araka ny fahadisoan-kevitra sy fitsaran’olona fotsiny .

2-Hiverina ny fifandraisam-pifankatiavana (and4-5)

Izao ny teny eto : »tsy nafoy » , izany hoe tsy nariana , tsy noraharahaina intsony ianao ary ny taninao tsy ho lao (tany efitra tsy azo ampiasaina) fa atao hoe : vady ampakarina kosa . Averina ilay fifandraisana lalina sy tanteraka eo amin’ny olona sy Andriamanitra toy ny lehilahy mpampakatra vady ka fatoran’ny fifankatiavana sy ny fiheverana ny fiainan-ko avy ho tanteraka .

Fanontaniana:

Misy ve ireo mihevitra fa tsy manampy ny olona akory Andriamanitra ? Ahoana no hampaherezana azy ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM