Misy karazana olona 4 ireo nitoriana ny tenin’Andriamanitra, iza amin’ireo no misy anao?

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Martsa 2021

Lioka 8.11-15

Lioka 8.11-15
11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. 14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.

Misy karazana olona 4 ireo nitoriana ny tenin’Andriamanitra, iza amin’ireo no misy anao?

 Hatao ahoana ireo tsy mety mandray marina ny Filazantsara toriana aminy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM