Misy fomban’ny malagasy mifanohitra amin’ny ataon’ny Tompo. Vonona hiala amin’izany ve ny kristiana ?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Aprily 2022

Levitikosy 18. 1-5

Levitikosy 18. 1-5
1 [Lalàna ny amin'ny hanamasinana ny fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo: 3 Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. 4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.

Misy fomban’ny malagasy mifanohitra amin’ny ataon’ny Tompo. Vonona hiala amin’izany ve ny kristiana ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM