Mirosoa mandrakariva
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Septambra 2024
Efesiana 1.7-14
Efesiana 1.7-14
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.Mirosoa mandrakariva
Ity Epistily ity dia nentin’i Paoly Apostoly hampirisihana ny mpino mba handroso ara-panahy amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana. Nefa koa hanasongadianany ny maha zava-dehibe ny firaisan’ny Kristiana, na dia eo aza ny fifahasamihafana, ary indrindra ho fampaherezana eo anoloan’ny asan’ny ratsy. Ambarany eto fa:
1- Misy zava-miafina lehibe ao amin’ny finoana an’i Jesoa (and 7-12)
Ny fanavotana antsika tamin’ny alalan’ny ran’i Jesoa, ilay ahazoantsika famelan-keloka dia ambara eto fa harem-pahasoavana lehibe, izay tsy nofihinin’Andriamanitra ho azy irery, fa zarainy amintsika maimaim-poana, ary ao anatin’izany no hampanekeny antsika ny fitondrany ny fiainantsika. Ny finoana no tanana andraisantsika izany harem-pahasoavana avy amin’ny Tompo izany ary ny finoana ihany koa no manokatra irika ahitantsika ny hasarobidin’izany zava-miafin’Andriamanitra izany.
2- Ny Fanahy Masina no mihazona antsika amin’ny finoana
Ny Fanahy Masina no mamelona antsika sy mampiombona antsika amin’i Jesoa, kanefa koa mampiombona antsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Izay no maha santatry ny lovantsika azy satria mitahiry antsika ho eo ambany fahasoavan’ny Tompo mandrakariva Izy, na eto an-tany na any an-danitra. Ataovy sakaizanao mandrakariva ny Fanahy Masina sy ny Tenin’ Andriamanitra dia haharitra amin’ny finoana ianao.
Fanontaniana:
Inona avy ireo antony mahatonga anao hisalasala amin’ny ampitsonao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe