Miorena tsara !
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Desambra 2023
2 MPANJAKA 19.8-19
2 MPANJAKA 19.8-19
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. 9 Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe: 10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria. 11 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema] 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva? 14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona. 17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny 18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana. 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.Miorena tsara !
Mampihorohoro sy manao teny fihantsiana ny fahavalo,fa hoe : tsy misy maharesy azy ,na dia ny Andriamanitry ny Israely aza no lazaina fa tsy mahasakana azy ,kanefa tsy nahavonjy ireny firenena ireny ny andriamaniny .Manozongozona finoana ny fahavalo nefa matokia ,miorena tsara .
1-Lazao amin’Andriamanitra ny adinao
Noraisin’i Hezekia mpanjaka teny an-tànan’ireo iraka ny taratasy ka novelariny teo anatrehan’ Andriamanitra .Nasehony sy nambarany ary nentiny teo amin’Andriamanitra ny ady mbamin’ny fandrahonana nataon’ny fahavlony . Nino an’Andriamanitra i Hezekia mpanjaka ,tsy voahozongozona ny finoany ,nivavaka sy nametraka ny adiny tamin’Andriamanitra izy .Miorena tsara amin’ny finoana ,vonona ny hihaino ny vavaka ataonao hatrany Andriamanitra. Ento ka ambarao Aminy ny adinao.Matokia Azy!
2-Matokia ny famonjeny
Nivavaka naneho ny finoana i Hezekia mpanjaka.Velona Andriamanitra. Izy no Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra .Izy no mifehy izao tontolo izao (and15) .Noho izany,dia tsy misy maharesy Azy,azo antoka ny famonjeny,tsy mamela ny olony horavan’ny fahavalo Izy.Izay mivavaka amin’ny sampy no ho resy sy tsy hahita fahombiazana eo amin’ny ady. Ny olona mino sy matoky an’Andriamanitra velonaa dia mandresy hatrany manoloana ny fahavalo.Tsarovy i Jesoa Kristy ,Ilay nandresy ny fahafatesana sady velona mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona no tony hataonao mba hahafahanao mijoro manoloana ny olana diavinao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM