Miorena marina ao amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Martsa 2024
1 Korintiana 10. 14-22
1 Korintiana 10. 14-22
14 Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy. 15 Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko. 16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana] 17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. 18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va? 19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? 20 Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo. 32. 17); koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia ianareo. 21 Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo. 22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?Miorena marina ao amin’ny Tompo
1. Ialao ny zava-dratsy (and.14)
Ny teny hoe mandositra dia midika hoe mandeha miala eo amin’io fitoerana io ka mitady toerana hafa hialofana. Ary izay ampiasain’i Paoly eto aza dia manambara mihitsy ho toy ny miala amin’ny zavatra iray maharikoriko indrindra (Fil. 3.8) Ny tanjona dia ny hahazo famonjena amin’ny alalan’ilay fandosirana. Tsy ny hiala amin’ny zava-dratsy ihany no asain’ny Tompo ataontsika fa ny hiova toerana dia ny ho ao Aminy. Ao no fandosirana tsara indrindra. « Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina, » (Jao. 10.9)
2. Aoka ho tokan-tsafidy: (and.20)
Mandidy ny olona eto i Paoly hoe: TSY MAHAZO. Izany hoe tsy tokony hanao izany mihitsy isika. Inona moa izany? Misotro amin’ny kapoakan’ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia. Andriamanitra saropiaro Izy ary tena tia antsika ihany koa satria tsy tiany hanao zavatra hampisaraka antsika Aminy isika. Resaka sakafo no ambarany eto fa tsy ny atao fotsiny. Fisakafoana izay midika fiombonan’aina. Koa ny hiray aina Aminy ihany no sitrany ho antsika. « Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy » (Jao 15:5)
Fanontaniana:
Ahoana marina moa isika Kristiana ankehitriny amin’ireo sampy moderna mangeja antsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe