Miomana handray ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Novambra 2022
Zakaria 9,9 - 11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Miomana handray ny Tompo
1- Tompo sy Mpanjakanao Izy
« Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao » And. 9. Ny Mpanjaka dia tsy mihetsika eo amin’ny seza fiandrianany raha tsy misy antony manokana ary antony lehibe mihitsy aza. Toy izany koa no ambara aminao anio: avy ho anao ny Mpanjaka dia Ilay Tompo Andriamanitsika. Zava-dehibe Aminy ianao, zava dehibe Aminy ny antsoantsonao izay mila famonjena Aminy. Zava-dehibe Aminy ny hoe eo akaikinao satria marina ny voalazan’ny mpanao Salamo hoe: « Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy… » (Sal 73:28). Efa hidina Izy anio handray andraikitra Aminao (vakio Eks 3:7-8), eny efa nampidininy ny Zanany hiara-honina amintsika,« Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra » (Mat 1.23)
2- Tompo sy mpanavotra antsika Izy
« hofoanako tsy hisy kalesy intsony… » And.10. Ho avy handray andraikitra Izy. Ny andraikitra raisiny voalohany dia ny hanafoana ny ady. Handresy ny fahavalontsika satria voalaza hoe: « Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà… » (Efe. 6:12). Ny kalesy, ny soavaly ny tsipika fiadiana ambarany eto dia ireo fitaovam-piadiany entin’ny fahavalo miady amintsika. Ary rehefa esoriny tsy hanan-kery amintsika ireo dia hanjaka eo amintsika ny Fiadanana. Fiadanana tsy ho amin’izay misy antsika ihany fa amin’ny tany rehetra manodidina antsika koa. Jereo izay voalazan’i Jesoa: « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy angalatra sy hamono ary handringana: Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be » (Jao 10.10)
Fanontaniana: Fantatrao ve hoe nahoana Jesoa no misisika hiditra eo amin’ny fiainanao?