Miomana handray ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Novambra 2022

JAONA 14.1-4

JAONA 14.1-4
1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] 2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)]

 Miomana handray ny Tompo

 « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho  dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko  , ka izay itoerako  no hitoeranareo koa » (Jao 14.3)

And 3a “ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo  Aho”. Araka ny voalaza teo aloha dia ao an-tranon’ny Rainy no misy  io toerana io  . Ao an-tranon’ny Rainy  , kanefa tsy ho Azy ihany fa ho anao  koa. Foiny omena anao  ny anjarany  ao an-tranon’ny Rainy .Tsy tolorany fotsiny  fa Izy  mihitsy  no hikarakara ny toeranao , hanamboatra izay mety aminao  .Tonga toy ny zanaka isika . ”Ary raha zanaka dia mpandova , eny sady mpandova  an’Andriamanitra no mpiray lova amin’I Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manamboninahitra Aminy koa “( Rom 8.17)

2-Ka efa vonona hanaraka azy ve ianao ?

“Ho avy indray”: io no fomba  ilazan’ny Tompo  ny amin’ny fiaviany indray .Araka ny fanekem-pinoantsika hoe: ho avy hitsara ny velona sy ny maty .Ny fahavononana dia manomboka anio . Diniho tsara izay ambaran’I Paoly  ny amin’izany fahatongavan’ny Tompo  izany   :”…isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina aminy  ho eny  amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka , dia ho any amin’ny Tompo   mandrakariva isika “(I Tes 4.17) .Raha tsy miakatra hitsena Azy ianao  dia efa tsy Azy .Fa sao lany andto  manamboatra fitoerana Izy  , kanefa isika tsy  misy  ho any ?

Fanontaniana:

Inona avy ireo fiomanana efa nataonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM