Minoa anatra ka :
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Jolay 2021
Josoa 23. 1 - 16
Josoa 23. 1 - 16
1 [Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. 11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo. 12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, 13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 14 Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza. 15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 16 Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.Minoa anatra ka :
1- Aza manadino an’Andriamanitra saingy tafita ! (and 3)
Hoy i Josoa hoe : » Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’Andriamanitrareo… Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo ». Averin’i Josoa ao an-tsain’ny olona fa tsy noho ny hery na faharanitan-tsain’izy ireo akory no nahazoany ny tany Kanana ho lova ,fa tena Andriamanitra mihitsy no tompo-marika sy mpandray anjara mavitrika ka nahazoana izany. Noho izany tsy tokony hahifikifika Andriamanitra. Fakam-panahy mpahazo ny olona rehefa mila vonjy ny mitalaho famonjena, kinanjo rehefa tafita dia manadino tanteraka an’Andriamanitra ka tahaka ny hoe : tsy izy ilay nandohalika nivavaka iny ! Tandremo izany !
2- Tiavo ny Andriamanitrao ka ankatoavy (and 11 – 13)
« Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’I Jehovah Andriamanitrareo » hoy Josoa rehefa avy nitaona ny olona hitandrina ny Tenin’Andriamanitra izy (and 6). Ny fankatoavana « izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna » no antoky ny fitahiana azy ireo ary izany koa no tokony hibaiko ny fiainany ka tsy hiraisany petsapetsa amin’ny firenena manodidina. Tsy hoe asaina miavona akory izy ireo na asaina manavakavaka raha tsy avela hanambady hafa firenena fa ny firaisana petsapetsa amin’ireo firenena mpanompo sampy manodidina azy ireo dia hitarika azy hanompo sampy koa, Hampifangaro an’Andriamanitra ary hahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra izany. Ianao koa, tiavo ny Tompo ka aza mifandrohirohy amin’ny ratsy, fa hoy Jesoa hoe « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko » (Jao.14.15)
Fanontaniana:
Ahoana no hahazoanao maneho fa tsy manadino izay efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE- FJKM