Mino an’Andriamanitra mandresy ny fahafatesana ve ianao ?

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Aprily 2022

Apokalypsy 1:17-20

Apokalypsy 1:17-20
17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia]

Mino an’Andriamanitra mandresy ny fahafatesana ve ianao ?