Milaza inona aminao ny tantaran’i Jona?
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Aprily 2022
JONA 2.1-11
JONA 2.1-11
1 [Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. 2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona 3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela] 4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. 5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. 6 Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. 7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô. 8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina. 9 Izay mivavaka amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony] 10 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. 11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.Milaza inona aminao ny tantaran’i Jona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM