Mila mibebaka koa ve ny firenena Malagasy ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Septambra 2022
Jona 3,1 - 10
1 [Ny nitorian'i Jona teny tao Ninive] Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. 3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana. 4 Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra] 5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona. 7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. 8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

1– Nitory teny tao Ninive i Jona

Milaza izay nanirahan’Andriamanitra azy sy nitorian’iJona teny ho an’ny mponina tao Ninive ny and 1-4 . Tanàna lehibe i Ninive tamin’izany fotoana izany , kanefa dia tanàna Jentilisa ka manana izay fiheverany izay andriamanitra tompoiny .Noho izany dia heverina hoe : tsy mba afaka misitraka ny famindrampo sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra mpahary izao rehetra izao izy ireo .Tsy izany mihitsy anefa ny hevitr’Andriamanitra , satria Izy dia maneho fa Andriamanitr’izao tontolo izao .Izay rehetra mino sy manaiky ary mankato Azy dia heveriny avokoa izay hahasoa azy. Teto dia naniraka an’i Jona Izy mba hanehoana ny tsy fanavahany na iza na iza mihitsy fa indrindra raha mibebaka tokoa ny olona .

2-Nisy vokany ny fitoriana natao :nibebaka ny Ninivita

Ny and 5-9 dia mampiseho ny fibebahana faobe notanterahan’ny mponina rehetra tao Ninive, rehefa nandre ny asa fitoriana nataon’i Jona izy ireo . Tena mahavariana ny faharesen-dahatry ny olona rehetra ka nanekeny avy ahtrany hanatanteraka izany fibebahana izany ary hevero fa miavaka tokoa ny finoany an’Andriamanitra sy ny fanekena ny heriny , satria firenena Jentilisa izy ireo , nefa nino fa eo an-tànan’Andriamanitra ny hery sy ny fahefana handrava na tsia an’i Ninive ka dia resy lahatra izy ireo ary nibebaka hatramin’ny olona izay heverina ho ambony indrindra ka hatramin’ny biby fiompy mihitsy aza.

3-Mamela heloka Andriamanitra

Aseho eto fa tsy Andriamanitra masiaka tsy azo ivalozana sy tsy azo ifampiraharahana akory Izy , ary tsy manavaka na iza na iza koa izay rehetra mibebaka marina tokoa dia henoiny .

Fanontaniana:

Mila mibebaka koa ve ny firenena Malagasy ? Hain’ny Malagasy ve izao nataon’ny Ninivita izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM