Mila manana fanantenana isika
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Novambra 2021
KOLOSIANA 1.21-23
KOLOSIANA 1.21-23
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.Mila manana fanantenana isika
1-Satria efa vita ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra (and21-22)
Taloha isika dia vahiny sady fahavalon’ Andriamanitra Ray noho ny otantsika . Fa ankehitriny kosa dia efa mpihavana Aminy noho ny fahafatesan’i Jesoa Kristy zanany . Toy ny mahazo taratasy fanadiovana ny fanamarinana ny heloka natao na ny « casier judiciaire » isika , na nanao ratsy aza , rehefa mahazo famelankeloka amin’ny alalan’ny zanany , ary manjary sakaizan’Andriamanitra . Noho izany dia manàna fanantenana ny ho voavonjy . Hoy ny voasoratra ao amin’ny Kolosiana 1.20 : « sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra Aminy , ka dia ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanany ».
2-Noho izany , aza mety hozongozonina amin’ny finoana (and23)
Rehefa manara-dia an’i Jesoa iny isika dia misy hevitra maro tonga ao an-tsaina hitaona antsika mba hiova , mba hivadika amin’ny finoana ary toa tsy manantena famonjena intsony aza ka handeha hifindra atsy sy aroa. Tandremo ! tomoera tsara fa betsaka ny mpanadala saina ankehitriny . Hoy ny Soratra Masina hoe : » Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao » (Apo 3.11)
Fanontaniana :
Raha izao isika no alain’Andriamanitra , mahazo antoka ve fa mandray ny famonjena?
Sampan Sekoly Alahady FOIBE FJKM