Mikatsaka ny hahafaly ny Tompo izy ireo .

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Janoary 2019

2 Samoela 6.12-23

2 Samoela 6.12-23
12 Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida. 13 Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra. 14 Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. 15 Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara. 16 Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. 17 Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah. 18 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka] 20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. 21 Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako. 22 Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. 23 Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.

1-Mikatsaka ny hahafaly ny Tompo izy ireo .

Tamin’ny fanaterana fanatitra isaky ny inenina mamindra no nanehoany izany , araka ny and 13. Mbola notohizana hatrany izany rehefa tonga teo amin’ny toerany izany . Hoby mafy sy dihy ary fitafy mendrika no nampiakarany ny fiaran’i Jehovah.

2-Manetry tena teo anatrehan’ny Tompo i Davida.

Tsy ny maha- mpanjaka azy no nisehony teo anatrehan’ny Tompo , fa ny maha-mpanompony azy . Hoy izy: »Ary mbola hivazina kokoa noho izany aho , ka hataoko tsinotsinona ny tenako« (and22).

3-Mitsodrano amin’ny Anaran’ny Tompo izy .

Rehefa voaatitra ny fanatitra , dia nitsodrano ny vahoaka i Davida ary nizara mofo sy hena ary mofo voaloboka ny tsirairay . Mariky ny fiombonana amin’ Andriamanitra ny sakafo toy izany sady fampiombonana ny vahoakan’ Andriamanitra.

4-Mahazo kiana indraindray

i Mikala no nanao izany eto(and16,20) saingy tsy nankasitrahan’i Jehovah izany . Koa nosaziany mafy tsy hiteraka intsony izy (and23). Derao sy Tompoy amin’ny fonao i Jesoa ary aza matahotra fanakianana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3