Mijoroa tsara ho mpanompo mendrika

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Novambra 2024

2 Petera 1.3-7

2 Petera 1.3-7
3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana] 4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna; 5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, 6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, 7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

Mijoroa tsara ho mpanompo mendrika

1. Efa nomeny ny heriny (and.3-4)

Tsarovy fa efa ampy hahasahana ny zavatra rehetra ilaintsika, eo amin’ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny fitiavany antsika. Izany dia nasehony tamin’ny alalan’ny fanolorany ny Zanany ho antsika. Tonga olom-baovao isika araka izay fanambaran’i Petera eto, ka tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra. Izany rahateo no hananantsika hery handositra ny fahalotoan’izao tontolo izao. I Paoly dia nilaza hoe « Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. » (1 Kor 6.19-20)

2. Hanana zotom-po (and.5-7)

Misy toetra vitsivitsy ambaran’i Petera eto, toetra mifampiankina ary mariky ny fivoaram-piainana ara-panahy mihitsy aza izany, izay miainga amin’ny zotom-po izany. fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fahononam-po, faharetana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ny fitiavana. Ireo toetra ireo no mitarika antsika tsy hanana fahalainana sy hahavokatra amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy Jesoa. Ireo zavatra ambaran’i Petera ireo no toy ny voa miseho eo amin’ny olona izay mahatsiaro fa navotana sy nodiovin’i Jesoa tamin’ny fahotana fahiny. Aoka ary isika hanana fahazotoana hampitoetra tsara ny fiantsoana sy ny fifidianan’ Andriamanitra antsika tao amin’i Jesoa Kristy

Fanontaniana:

Inona avy ireo sakana tsy ahafahantsika mijoro ho vavolombelona eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe