Mijoroa ho mahatoky tahaka an’i Epafra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Oktobra 2016
Kolosiana 1,1 - 8
1 [Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, 2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo, 4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara, 6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina; 7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)] 8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO

KOLOSIANA 1.1-8

Mijoroa ho mahatoky tahaka an’i Epafra

Miresaka ny amin’i Epafra izay tompontany tao Kolosia ary nanorina ny fiangonana tao i Paoly sy i Timoty (and7) ary i Epafra no ohatra tsara ho antsika eto .

1-I Epafra , mpanompo mahatokin’i Kristy (DIEM)

Izany no filazan’i Paoly sy i Timoty azy : lehilahy nanaiky an’i Kristy ho Tompon’ny fiainany ary dia nanatanteraka ny maha- mpanompony azy amin’ny toe-panahy mahatoky. Hitantsika ao amin’ny Kols 4.12 ny endrik’izany « manao veloma anareo Epafra , ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesoa ary mikely aina mandrakariva ammin’ny fangatahana ho anareo , mba hitoeranareo marina , ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra  » . Olom-bavaka , olon’ny fikelezana aina izy . Mampandini-tena antsika izany .

2-I Epafra , mahatoky ho an’ny fiangonana

I Paoly sy i Timoty dia nahatsiaro fifaliana sy fampaherezana lehibe tamin’ny fananana azy ho mpiara-manompo . Hitantsika amin’ny teny eto izany . Ary tsy izany ihany fa mahita soa amin’ny ataony koa ny fiangonana tao Kolosia : « ho fahasoavana anareo » , hoy ny and 7 eto (DIEM) . Koa sady nahatoky teo anatrehan’i Kristy Tompo izy no nahatoky koa teo anatrehan’ny olona . Toetra roa tsy afa-misaraka rahateo izany .

Fanontaniana :

Rehefa miresaka ny amiko , na ny aminao ny hafa , afa-milaza antsika toy izay nilazana an’i Epafra ve izy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM