Mijoroa ho mahatoky manambara ny rariny

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Oktobra 2016
Ohabolana 12,17 - 22
17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. 18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. 19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. 20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. 21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy] 22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

OHABOLANA 12.17-22

Mijoroa ho mahatoky manambara ny rariny

Antsoina ho olona mahatoky isika :

1-Toa inona izany olona mahatoky izany ?

« Marina » (and 7,18,21) izy . Ny marina eo amin’ny and 18 dia azo adika koa hoe : « hendry » . Izany no mamaritra ny maha- olona mahatoky azy .

2-Toa inona izany hoe : manambara ny rariny izany ?

Etsy andaniny , raha ny zavatra tsy ataony no lazaina dia tsy mandainga na miteny fitaka izy (and 17) . Tsy mandefalefa teny tsy tsaroana , mandratra izy (and18) . Etsy ankilany kosa , raha ny ataony indray dia izao : ny lelanh dia fanasitranana (and18).

3-Inona no vokatr’izany toetrany izany ?

Ny teny ataony satria marina dia mitombina hatrany (DIEM) (and19) . Voaaro izy ka tsy misy ratsy manjo azy (and21). mahazo fankasitrahana amin’ Andriamanitra izy (and22).

4-Avy aiza no loharanon’izany toetrany izany ?

Avy ao amin’ny fony sy ny fisainany (and20), ny fony tsy mamoron-tsain-dratsy , ary izy misaina fiadanana na fihavanana . Vokany : feno fifaliana izy . Araka izany , tsy toetra tefitefena ety ivelany fotsiny mba hisehosehoana ny toetra mahatoky fa avy ao am-po , araka izay efa nambaran’i Jesoa hoe : « ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony , ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy , fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany  » (Lio 6.45) .

Fanontaniana :

Raha ny teny atao no ahalalana na mahatoky ny olona iray na tsia , inona no hita eo amin’ny teny ataoko ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM