Mijoroa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Talata, faha 22 Aogositra 2023

APOKALYPSY 2.18-19

APOKALYPSY 2.18-19
18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia] 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.

Mijoroa amin’ny finoana

Ny mofonaina ho antsika anio dia tafiditra ao amin’ny fizarana voalohany , sehatra fahefatra ilazana ny fiangonana tao Tyatira , izay tsy mba nanana ny lazany raha miohatra amin’ny tanàna hafa na dia misy iavahany ihany aza , noho ireo mpivarotra sy mpanao asa tànana betsaka tao . Nahariharin’ny hafatra izay nomena ny fiangonana fito fa misy ny sasany tany Azia nivily làlana tamin’ny fitsipika apostolika momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana .I Jaona dia nanoratra tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ka mamerina sy mananatra ary miantso azy ireo hibebaka sy hiverina amin’ny fitiavana voalohany , ka hoy ny mpanoratra hoe : « Ary soraty ho an’ny fiangonana any Tyatira ,izao no lazain’ny zanak’Andriamanitra » .Nampaherezina amin’ny finoana izy ireo mba hifikitra ao amin’i Kristy na dia teo aza ny fanenjehana . Tranga mety hiseho amin’ny fiainana kristiana koa izany . Taomina isika hijoro amin’ny finoana, ho mpandresy ka hitoetra ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana . Fa izao no voasoratra : « fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao ,ny fanompoanao ary ny faharetanao . Ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany « . Ry havana , mijoroa amin’ny finoana ,fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina noho ny amin’ nyTompo .

Fanontaniana :

Raha misedra zava-tsarotra ny fiainanao ,mba isan’ny haharitra amin’ny finoana ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM