Mijoroa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Aogositra 2023

APOKALYPSY 3.7-13

APOKALYPSY 3.7-13
7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

Mijoroa amin’ny finoana

Filadelfia dia fiangonana nahatoky, satria sady nitana ny tenin’i Kristy no tsy mba nandà Azy . Fiangonana niaritra ny fahoriana sy ny fampahoriana nataon’ny hafa ary nanohitra mba tsy hanaraka ny fironandratsin’ny sasany. Fiangonana naharitra tamin’ny fifikirana tamin’i Kristy sy ny fahamarinan’ny Filazantsara izany fiangonana izany (and10). Noho izany ,ny faharetan’ny fiangonana tao Filadelfia tamin’ny finoana sy ny fatokiana no nanomezan’Andriamanitra toky hamonjena azy- amin’ny andron’ny fakam-panahy.

Koa ho an’izay maharesy ka mijoro amin’ny finoana dia Andriamanitra no hiaro azy. Koa satria mahatoky ny mpino mijoro sy miaritra ,i Jesoa Kristy dia hanome valisoa ho an’izay maharitra mitana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny finoana marina. Ny fiangonana tao Filadelfia dia nanana toetra mahatoky, nijoro tamin’ny finoana,nitana ny Tenin’i Kristy ary tsy mba nandà Azy. Koa ho antsika fiangonana ankehitriny, aoka haharitra amin’ny finoana .Mifikira amin’i Kristy, mahareta amin’ny teniny,matokia Azy, aza miova, mijoroa ho vavolombelona eo anatrehan’ny hafa mba ho fianarana ho azy ireny . Miambena am-bavaka mba tsy ho voafitaka fa ho maro ny fakam-panahy .Tsy varavarana hahazoana mandositra amin’ny fotoan-tsarotra ny varavarana izay nosokafana ho an’ny fiangonana fa maneho ny herin’ny Filazantsara (2 Kor 1.4) .

Fanontaniana :

Teo amin’ny fiainam-pinoanao,mba ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM