Mijoroa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Aogositra 2023
ROMANA 4.13-25
ROMANA 4.13-25
13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty, 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.Mijoroa amin’ny finoana
1-Mba hohamarinina amin’ny finoana fa tsy amin’ny lalàna
Ambaran’i Paoly amin’izao Soratra Masina izao fa nandray ary nino ny teny fikasana nomena azy Abrahama tany aloha (Gen 15). Niorina tamin’ny fahamarinany izay avy amin’ny finoana ny Teny fikasana ,fa tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna (and 13), satria tsy misy olona voavonjy mihitsy raha avy amin’ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny lalàna no hahazoana famonjena sy fahamarinana ary fanamarinana ; satria tsy misy olona mankato izany tanteraka. Ao amin’ny fahamarinan’ny finoana ihany no iorenan’ny teny fikasana .Ny lalàna dia fampahafantarana ny fahotana sy ny tsiny ary ny sazy, fa tsy manolotra fanavotana.
2-Mba hohamarinina amin’ny finoana irery ihany
Ny fanazavan’i Paoly eto dia manaporofo fa tsy tamin’ny asa na amin’ny fombafomba na amin’ny fitandremana ny lalàna no hanamarinana an’i Abrahama fa amin’ny finoana (and16a) .Natao ho antsika rehetra izay mijoro amin’ny finoana koa izany , satria Izy dia Rain’ny mino. Amin’ny alalan’ny finoana dia zanak’i Abrahama Rain’ny finoana isika izay mino (and16b, 17a).Hohamarinin’Andriamanitra isika raha toa ka mino Azy izay nanolotra an’i Jesoa Kristy noho ny fahotantsika ary nanangana Azy ho amin’ny fiainana . Koa aoreno ao am-pontsika ny hijoro ho vavolombelon’i Jesoa amin’izay atao ka hiteny eo anatrehan’ny hafa toy izay nataon’i Paoly hoe: « fantatro izay inoako » .
Fanontaniana:
Moa mba fantatrao tsara ve izay inoanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM