Mihevitra ny olony ve Andriamanitra?
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Septambra 2023
.Isaia 62,6-9
Isaia 62,6 - 9
6 Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra; 7 Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany. 8 Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao; 9 Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.1-Mihevitra sy miaro ny olony hatrany Andriamanitra
Tany Palestina, ny tanàna lehibe dia narovana tamin’ny manda avo sy matevina manodidina azy. Ny tena hevitry ny hoé « manda », rindrina matevina sy avo be dia fiarovana na koa fanakanana ny fahavalo indrindra. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia nisy hatrany ny ady teo amin’ny samy tanàna, ka ny fiarovan-tena sy ny fiarovana ny tanàna azo antoka sy tena nianteheran’ny olona dia ny fananganana izany manda izany. Misy matevina be mihitsy ny manda, misy hatramin’ny 4 metatra na mihoatra mihitsy aza ary azo nanorenana trano eo ambonin’ny sasany (Jereo Jos.2,15). Matetika natao ho fialofan’ny mpiambina izany trano izany mba ho vonona hatrany izy ireo hanao ny asa fiambenana ka hampiomana ny tanàna. Izany sary izany no nampiasaina teto ilazana fa tena mihevitra izay mahatsara ny olony tokoa Andriamanitra satria manendry mpiambina Izy hampahatsiaro ny olona izay tokony hataony amin’ny fotoana rehetra.
2-Tsy mahazo mangina ny mpiambina
Raha ny marina dia tsy fahavalo mivantana toy ny teo aloha intsony no tena fahavalon’Andriamanitra fa ny asan’ny fanahy ratsy (jereo Efe.6,13). Ny mpiambina dia ireo irak’Andriamanitra rehetra mivavaka Aminy ho an’ny olona andaniny, mifona ho an’ny olona, ary milaza ny sitrapon’Andriamanitra mba hanarahan’ny olona izany ankilany. Tena asan’ny Fiangonana izany, satria ny Fiangonana mihitsy no tsy maintsy milaza ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny olona. Raha mandresy lahatra hatrany mantsy ny ratsy dia tsy maintsy milaza ny sitrapon’Andriamanitra kosa ny irany, hampahatsiaro ny soa omanin’Andriamanitra ho an’ny olony.
Fanontaniana :
Mihevitra ny olony ve Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM