Mihevitra ny olony hatrany i Jesoa:
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Aprily 2024
Jaona 21.1-14
Jaona 21.1-14
1 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany: 2 Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy. 4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany. 5 Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina* va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. [*Gr. laoka] 6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. 7 Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy. 8 Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany. 9 Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. 10 Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo. 11 Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato. 12 Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy. 13 Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray. 14 Izany no fanintelon'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.1- Mihevitra ny olony hatrany i Jesoa:
Ny tenin’i Petera manao hoe « handeha hanarato aho » sy ny navalin’ny mpianatra namany hoe « izahay koa hanaraka anao » dia fanehoana famoizam-po satria diso fanantenana izy ireo tamin’ny zava- nitranga nataon’ny Romana tamin’i Jesoa Kristy. Noheverin’izy ireo mantsy fa hanjaka amin’izy ireo i Jesoa Kristy ary koa handrava ny fangejana misy kanefa indro nandao azy ireo izy. Ny fiverenana amin’ny asany teo aloha áry dia fanehoana fa tsy misy hianteherany intsony ka aleo mihevitra izay mahasoa ny tena. Ny fanaratoana moa no zavatra hainy sy efa nahazatra azy ireo ka tsy nisalasala izy ireo hiverina hanao izany indray. Rehefa nanarato anefa dia tsy nahazo na inona na inona mihitsy nandritry ny alina manontolo. Fa rehefa nandalo teo kosa i Jesoa Kristy ka nahafantatra hoe tsy nahazo na inona na inona izy ireo dia nanome toromarika azy i Jesoa Kristy mba hahazoany trondro. Mariho tsara fa tsy nisy fandavana na fisalasalana kely akory tamin’ny toromarika nataon’ny Tompo tamin’izy ireo fa nankato avy hatrany izany izy ireo ka nahatalanjona indrindra ny vokatr ‘izany fanarahany ny Tenin’i Jesoa Kristy izany.
2- Fantatry ny olona tia Azy i Jesoa
Eo amin’ny and. 4 dia misy hoe nitsangana teo amoron-dranomasina i Jesoa kanefa tsy fantatry ny mpianatra Izy. Rehefa avy nanome ny toromarika kosa anefa Izy dia fantatry ny mpianatra tiany. Araka izany. tsarovy fa izay tiany rehetra dia mahafantatra Azy noho ny asa mahagaga ataony amin’ny fiainany. Tsarovy ary fa nanao asa mahagaga eo amin’ny fiainanao i Jesoa ary tsy tokony ho diso « Jesoa » ianao satria tandremo fa misy « jesoa sandoka » maro hafa eto.
Fanontaniana
Mhola mihevitra ny olony hatrany ve i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe