Mihevitra izay mahasoa ny olony Izy
Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Martsa 2020
ISAIA 31.4-6
ISAIA 31.4-6
4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra* Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra] 5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13] 6 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.Mihevitra izay mahasoa ny olony Izy
1-Tsy hiala amin’ny olona ny Tompo Andriamanitra
Ambaran’ny Tompo fa tiany tokoa ny olony na manao ahoana na manao ahoana faharatsiany sy fiodinany tamin’ny Tompo .Raha misedra zava-tsarotra izany mantsy ny olony dia tokony hitodika sy hila vonjy Aminy satria afaka manao izany indrindra Izy . Na dia mitodika tamin’ny hafa (Egypta) aza anefa ny olony dia mbola miantso sy mandresy lahatra azy ireo hatrany ny Tompo : mihevitra ny olony mandrakariva Izy ary manana soa atolotra azy ireo raha miverina Aminy .
2-Hiaro Izy sady hamonjy
Misy sary ampiasain’ny mpanoratra eto amin’ny alalan’ny fanaon’ny vorona :mambomba ny zanany ny vorona. Na dia miezaka miaro ny zanany aza anefa ny vorona dia tsy mahavita izany tanteraka satria tena mbola misy lasan’ny fahavalo ihany ny zanany fa Tompo kosa mihoatra lavitra noho izany satria mahavita miaro « zato isan-jato » mihitsy Izy .Izao mantsy no voalaza eto: sady hiaro izy no hamonjy , sady hiantra no hanafaka
Fanontaniana:
Azo itokisana sy ianteherana ve ny fitiavan’Andriamanitra ny olona sy ny fiarovany azy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM