Mihainoa ny Tenin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo

Jeremia 36.1-10
1 [Ny nanoratana ny tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe: 2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany. 3 Angamba hoheverin*'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb. hohenoin'] 4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. 5 Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah; 6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa. 7 Fa angamba ny fifonany hoborahina* eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka] 8 Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah. 9 Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda. 10 Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo

Jeremia 36.1-10

Mampibebaka ny mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra 

1-Mampanoratra an’i Jeremia Andriamanitra

Raketina an-tsoratra ny Tenin’ Andriamanitra  ampitaina amin’ny mpanjaka sy i Joda . Miala nenina aminy  ny  Tompo  mba hibebahany  ka hialany  amin’ny fanompoantsampy  sy ny tsy fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra  . Miantehitra  amin’ny Egyptiana  i Joiakima  mba  hanoherana  ny Babylonia (2 Mpa 24) fa tsy  mihaino  izay  teny entin’i Jeremia  avy  amin’i Jehovah . Manome Teny  hampitsaharana  ny loza i Jehovah, raha manaiky  ny mpanjaka sy ny  mpanapaka  ary ny  Joda (and3).

2-Mampanoratra an’i Baroka i Jeremia

Ampitain’ny  mpitantsoatratr’i Jeremia i Baroka  amin’i Joda sy ny  mpanapaka   ny  tenin’i Jehovah . Tsy afaka  mankany  amin’ny tempoly  i Jeremia  noho ny  antony  manokana , nefa mbola  tsy  tany am-ponja  izy  tamin’izany (jereo Jer 19.26). Tsy voasakana ny Tenin’ Andriamanitra  hampibebaka  ny mpanjaka  sy ny vahoakany . Tsy  manatanteraka  ny fikapohana Andriamanitra raha tsy efa nananatra sy niala nenina .

3-Mampiala amin’ny fivavahan-diso Andriamanitra

Mivavaka  sy  mifady hanina ny  Joda  fa tsy  mihaino  ny  Tenin’ Andriamanitra(and6). Fivavahana  tsy mampiala  amin’ny fahotana  sy ny  ratsy  ny fivavahan’ny Joda . Mitarika azy i Jehovah mba hanenina sy hiala amin’ny fahotany  (and7) . Izany  no fahamarinan’i Jehovah

Fanontaniana :

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM