Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

1 Jaona 4.4-6
4 Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. 5 Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. 6 Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

1 Jaona 4.4-6

Ny olona  mahay manavaka ny fampianarana 

1-Manana  ny Fanahy masina 

Mananatra   ny kristiana  i Jaona   mba tsy hinohino foana  ny fanahy rehetra . Miankina amin’ny fanahy miasa  ao anatin’ny olona ny fampianarana ambarany . I satana  dia miezaka  mandrakariva  ampirenireneny  ny olon’ Andriamanitra . Kanefa  rehefa manaiky tarihin’ny Fanahy masina  dia mahay manavaka  ny fampianarana marina  amin’ny fampianaran-diso ny  mpino . Tsarovy  fa miaina  eto  anivon’izao tontolo izao  isika , maro   ireo karazam-pampianarana  miseho   ankehitriny . Meteza  hotarihan’ny Fanahy masina  ianao   dia hiorina  tsara  amin’ny finoana , hitoetra  amin’ny famonjena  efa notanterahin’i Kristy .

2-Tena olon’ Andriamanitra 

Ambaran’i Jaona  eto   fa iraka  avy amin’ Andriamanitra  izy .  Iraka  maneho  ny fahamarinana araka an’ Andriamanitra . Ny tena  olon’ Andriamanitra   miombom-piainana amin’ Andriamanitra  « mahalala an’ Andriamanitra  » mahay  mihaino  , mahay mandray  ny fampianarana  entiny . Izao  tontolo izao  ihany  no afaka  mifampihaino  , mifampizara  fampianarana . Ampitandremana fatratra noho izany  ny  mpino  tsy handray  ny fampianarana mifanohitra  amin’ny finoana  marina mahakasika an’i Jesoa Kristy  , Ilay Andriamanitra tonga nofo  namonjy  ny olona rehetra .

Fanontaniana: