Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Febroary 2018

Mihainoa ny  Tenin'ny  Tompo 

Marka 7.14-23
14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:] 16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino] 17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany. 18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. 20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. 21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, 22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] 23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Marka 7.14-23

Ny mahaloto  ny olona 

1-Tsy ny sakafo 

Nanome tsiny   an’i Jesoa   ny fariseo   sy ny mpanora-dalàna satria tsy mba annaraka ny fampianarana voatolotry ny razana  izy ireo . Avy hatrany   dia nihinan-kanina  tamin’ny tànana  tsy  voasasa . Nampianatra   noho  izany  i Jesoa Kristy  fa ny sakafo miditra avy  any ivelany   miditra ao an-kibo , tsy mahakasika ny toetry ny fo . Araka izany  , tsy    ny sakafo  no mampaloto. Tsy  mampisaraka  ny olona  amin’Andriamanitra  ny fanajana  ny  fampianarana  voatolotry ny razana . Ny   fampianaran’ Andriamanitra  no tokony  kajiana sy tandremana fatratra .

2-Ny toetry ny fo

Ahariharin’i Jesoa Kristy  eto   fa ny  mivoaka  avy  ao  anaty  no tena mampahaloto  ny  olona  .Ny  toetry   ny  fon’ny  olona  tokoa mantsy  dia  miseho  hitan’ny rehetra . Ny  fo anaty  no maneho  ny maha-   olona ny olona . Avy  ao am-po  no miainga   ny fihetsehampo  , ny faniriana  .Koa  rehefa  tsy   madio  ny  fo   dia mitarika ny olona  ho  amin’ny faharatsiana , fandikana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fitondrantena tsy mendrika izany  . Rehefa  madio  ny fon’ny olona   mitandrina  sy mankato  ny Tenin’ Andriamanitra  dia resy  ny fahotana  . Jesoa Kristy   dia efa  nilaza fa sambatra  ny madio am-po  , fa izy  no hahita  an’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Talata, 20 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  1 Jaona 4.4-6 Ny olona  mahay manavaka ny fampianarana  1-Manana  ny…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Alatsinainy, 19 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  1 Samoela 3.1-14 Ny olona itenenan’Andriamanitra  1-Miombom-piainana Aminy  Noho   ny fahotan’ny…