Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Apokalypsy  1.1-3
1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Apokalypsy  1.1-3

Ny irak’ Andriamanitra 

1-Mihaino   ary manambara

Ny fanambarany  an’i Jesoa Kristy ho  ren’ny  olona rehetra   no  anjara fanompoana  niantsoany ny  mpanompony . Aseho   eto  fa mba  hahatanteraka  izany  dia Andriamanitra  Ray  no  manome  torohevitra  ny zanany  ny amin’izay   tokony  hambara  sy haseho   . I Jesoa  Kristy  indray  no manolotra  sy mampahafantatra  amin’ny olony izay  tokony   holazainy  amin’ny fanirahany   ny  anjely . Noho  izany   , izay  mahay  mihaino   no afaka  mandray  tsara   ilay  hafatra   sy  mampahafantatra  izany . Isanandro  ianao  dia mandray  ny hafatr’ Andriamanitra . Meteza  ho tena irak’ Andriamanitra   hanambara   izany amin’ny  manodidina anao .

2-Maneho   ny fikasan’ Andriamanitra 

Tanjon’ Andriamanitra  amin’ny fanirahana  ny  mpanompony  ny hahatonga  izao rehetra  izao  hahalala  fa i  Jesoa Kristy  irery   ihany  no Mpamonjy . Noho  izany  , izay  manaiky  sy mihaino  ary indrindra mitandrina , miaina  amin’ny teny   filazana  ny  amin’i Jesoa Kristy  sy ny asany  notanterahiny teto  amin’izao  tontolo izao  dia mandray  fiainana vaovao  , manana  ny fiainam-pahasambarana . Anjara  fanompoana  hanirahan’ Andriamanitra  ny  mpanompony   araka izany  ny  haneho  izany fikasan’ Andriamanitra   izany  .Koa  raha  nihaino   ianao  , fantatrao  ny làlana  mitondra ho amin’ny fiainam-pahasambarana  dia lazao  , ambarao amin’ny namanao izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Alarobia, 21 Febroary 2018

Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo  Marka 7.14-23 Ny mahaloto  ny olona  1-Tsy ny sakafo  Nanome tsiny …

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Talata, 20 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  1 Jaona 4.4-6 Ny olona  mahay manavaka ny fampianarana  1-Manana  ny…