Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Lioka 11.27.-28
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Lioka 11.27.-28
Ny tena fahasambarana 
1-Hasambarana tsy araka izay iheveran’ny maro azy
Tenin’ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon’i Jesoa Kristy ity. Niloa-bava izy , ka toy ny niteny fa raha izy no niteraka an’i Jesoa dia ho sambatra indrindra . Heverina anefa fa hasambarana an’olo-tokana izany , hasambaran’ny reny nahavita nitaiza sy nanabe ny zanaka , ka nahatonga azy hanan-daza eo amin’ny tany ama-monina . Izany no hasambarana heverin’ny ray aman-dreny sasany . Nofinofy anefa ny azy satria tsy zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io.Koa tsy araka izay hevitra handraisan’ny olona azy , na izay zavatra isitrahana mahafalifaly ny saina no atao hoe: hasambarana .
2-Hasambarana araka izay ambaran’ny Tompo
Rehefa ren’i Jesoa Kristy ny hetahetan’ity vehivavy ity dia manome vahaolana Izy . Ny fomba ahitana hasambarana ho an’ny rehetra , tsy ho an’olo-tokana , dia nomen’i Jesoa Kristy . Ny tena hasambarana dia ny mihaino ny Tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany . Hasambarana tsy mandalo na miserana fotsiny fa tena maharitra ary azon’ny olona rehetra isitrahana . Koa raha te-ho sambatra kokoa ianao , aza atao mandalo aminao fotsiny , na natao ho fahafinaretan’ny sofina ny mihaino sy miaina amin’ny Tenin’ Andriamanitra . Ao anatin’izany ny famakiana sy Soratra masina . Ho tsapanao fa ho loharanom-pahasambarana ho anao tokoa izany .
Fanontaniana:
Moa manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain’i Jesoa Kristy ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM